Ratovonandrasana Irčne

> Nanohy ny asa soa teny amin’ny Boriborintany voalohany omaly


  • Alakamisy 28 Novambra 2013


Ho tohin’ireo asa soa efa fanaony hatramin’ny fiandohan’ity taona ity tao amin’ny Boriborintany voalohany eto Antananarivo Renivohitra, dia ny Fokontanin’Antanimena-Antaniavo sy Andohatapenaka Anaty ony Atsimo sy Avaratra ary Andranoambo no notsidihan’ny MCT Ratovonandrasana Irène sy ireo mpanara-dia azy omaly alarobia 27 novambra. Tao Antanimena -Antaniavo  dia fotsimbary no natolotra ireo zokiolona sy andriambavilanitra nahatra 250 olona. Ny teny Anaty Ony Atsimo sy Avaratra dia kafitera, kaopy, vilany famanan-drano ary siao izay tena ilain’ny mponina eny an-toerana rehefa misy havoriana ao an-tanàna no natolotr’ity MCT ity. Tahaka izany ihany koa ny teny Andranoambo. Nisy koa anefa ny fanolorana akanjo fitondra milalao ho an’ny ekipa mpanao rugby malaza tao Anaty Ony Atsimo. Nomarihan-dRatovonandrasana Irène fa ny zoma izao vao maraimbe dia hisy fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana hotanterahina ao Andohatapenaka ho fangataham-pitahiana ho an’ny lisitra tarihan’ity kandidà ho depiote ao amin’ny Boriborintany voalohany ity mialoha ny hiaingan’ny fampielezan-kevitra eny Antohomadinika.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT