Rarison Hilarion

> Mazava ny lalana efa nosoritan’ny vahoakan’Antananarivo


  • Alakamisy 28 Novambra 2013


Efa vonona tanteraka ny ankolafy Ravalomanana amin’ny fiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa miaraka amin’ny fifidianana solombavambahoaka ao amin’ny faritanin’i Fianarantsoa, araka ny resaka nifanaovana tamin’ny kandida solombavambahoakan’ny ankolafy Ravalomanana ao Fianarantsoa I, Rarison Hilarion. Toromarika rahateo ny fandraisana an-tanan-droa ireo hery rehetra vonona ny hiaraka hiasa ho fampandresena ny kandidan’ny Avana tohanan’ny ankolafy Ravalomanana amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa hotontosaina amin’ny 20 desambra 2013. Maro izy ireo no efa mangetaheta ity fifanoloran-tanana ity, hoy ny fanampim-panazavany. Nilaza mazava ity mpikambana tao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy any amin’ny Faritra Matsiatra Ambony ity fa efa nanoro sy nitari-dalana ny vahoakan’Antananarivo tamin’ny fifidianana fihodinana voalohany iny ka tsy maintsy hanaraka izay fanapahan-kevitry ny mponina eto an-drenivohitr’i Madagasikara izay ny vahoakan’i Fianarantsoa. Mino ary resy lahatra ity olom-boatendrin’ny ankolafy Ravalomanana ity fa hitovy amin’izay daholo ny ho vokatra manerana ny Nosy.

 

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT