Actualités

Rano – fako miavosa “Aiza ny Kaominina ?”, hoy ny vahoakan’i Toamasina


  • Talata 06 Martsa 2012

“Toa tsy misy fiovana ny raharaha fitantanana ny tanŕna na efa niova aza ny mpitantana ny Kaominina”.

 Izay no nambaran’ireo vahoaka milona anaty rano maloto sy miaina miaraka amin’ny fako miangona sy miavosa etsy sy eroa. “Aiza ny Kaominina ?”, hoy ny fangatahan’izy ireo fa “efa tsy ara-pahasalamana intsony ny zavatra iainana isan’andro”. Ny zava-misy mantsy, efa ho tapa-bolana eo izao, dia niangona be ny rano eran’ny tanàna vokatry ny orana sy taorian’ny nandalovan’ny rivodoza farany teo. Ny fako nameno ny tanàna sy ny loto navelan’ny rivodoza Giovanna nefa tsy mbola afaka mandrak’ity ny androany. Ka ny fifangaroan’ireo loto, fako, rano mihandrona ireo no miteraka ny fitomboan’ny aretina ao Toamasina. Ankoatra ny tazomoka sy ny tazo mahery dia eo koa ny aretin-tratra sy ny lagaly ary aretin-kibo mahery mahazo ireo marefo, indrindra fa ny zaza. Hatreto aloha, miezaka amin’izay vitany nefa tsy mahafa-piry ny Kaominina, ity farany izay miady irery raha ny fahitana azy. “Raha tsy misy ny fandraisana andraikitra maika manoloana izao zava-misy ankehitriny ao Toamasina izao, dia tsy ho gaga isika raha ho renivohitry ny aretina sy ny areti-mifindra hahery vaika ilay kapitaly ekonomikan’i Madagasikara”, hoy ireo mahalala ny resaka fahasalamam-bahoaka. Samy miandry izany ny rehetra, na hivaha ny olana, na hiandry ny fahatongavan’ny aretina vao mody hihetsika ny rehetra.
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT