Ranaivoson Désiré

> Hanolotra Volavolana Sata manokana ho an'Antananarivo


  • Sabotsy 09 Novambra 2013

Tahaka ireo tanàn-dehibe mandroso erantany dia tokony hanana ny sata manokana mifehy azy koa ny Kaominina Antananarivo.

Misy asa sy andraikitra tokony hosahanin'ny Ben'ny tanàna sy ny ekipany nefa voatery iandrasana na koa akana fahazoan-dalana avy amin'ny sampandraharaha hafa. Ny ministeran'ny fitsinjaram-pahefana izao, ohatra, no manome ny fahazoan-dalana fananganan-trano mihoatra ny 1000 m2 na dia eto an-drenivohitra aza no misy ilay fanorenana. Anisan'ny hiadian-dRanaivoson Désiré, filohan'ny antoko PNJ Mazava ny hahazoan'Antananarivo io sata manokana io mandritra ny fotoam-piasan'ny solombavambahoakan'ny Repoblika faha-4. Nilaza aza izy fa tokony hanana ny azy ny  Boriborintany. "Ampidirina ao anatin'ny lalàna mifehy ny fitsinjaram-pahefana izy io", hoy ity kandida solombavambahoaka laharana faha-7 atolotry ny PNJ MAzava ao amin'ny Boriborintany faha-5 ity. Nanampy fanazavana ny tenany fa tsy maintsy vahana ny sakana dia ny fivangogoan'ny fahefana sy ny tetibola be loatra ao amin'ny Kaominina foibe ka tokony hisy ny fitsinjarana any amin'ny Fokontany hisian'ny fampandrosoana ifotony. Amin'ny antokon'ny tanora ity antoko ity dia mihevitra koa ny filohany fa tokony hatsangana eto amin'ny Tanànan'Antananarivo ny Filankevitry ny Tanora ka tsy tokony ho mpangataka fanampiana intsony ny tanora fa mba hisy tetibola manokana isan-taona ho azy ireo ary io Filankevitra io no hanapaka ny hampiasana ny tetibola voafaritra ao amin'ny tetibolan'ny Tanàna. "Lalàna hiteraka fampandrosona toy izany no mila entina fa tsy fampanantenana poakaty sy fisalovanana ny asan'ny Ben'ny Tanàna na ny Mpanolotsain'ny tanàna izay toa zary entina mamitaka vahoaka ankehitriny", hoy izy.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT