Ramanantsoa Christian ONG Harena Manasoa

> Efa zatra mifanerasera amin’ny vahoaka eny ambany tanŕna


  • Zoma 13 Desambra 2013

Mitohy ny fidinanana ifotony ataon’ny kandidŕ ho solombavambahoaka Ramanantsoa Christian natolotry ny Ong Harena Manasoa ao amin’ny Boriborintany voalohany eto an-drenivohitra ao anatin’ny fanatontosana ny fampielezan-kevitra ataony.

Tsy olana ho an’ity kandidà ity ny fifaneraserana mivantana amin’ny mponina eny ambany tanàna izay maro an’isa amin’ny mpifidy ao amin’ity Boriborintany ity satria efa zatra nanao izany izy sy ny mpikambana ao amin’ny Ong Harena Manasoa tarihany talohan’izao naha kandidà azy izao. Nampahatsiahiviny hatrany amin’ny fitetezana Fokontany ataony fa hampajary ho lalàna velona ireo hetahetan’ny vahoaka efa notrandrahan-dry zareo mba hanovana ny fiainan’ny tena sahirana no nampaharisika azy hirotsaka ho kandidà depiote. Tao anatin’ny roa andro farany izao dia voatety ary nanaovan’ny kandidà Ramanantsoa Christian sy ny mpanara-dia azy fitetezam-baravarana ny tao 67ha Atsinanana, Avaratra, Andrefana ary Atsimo ary ny faritry ny lalamby sy ny manodidina mbola teny an-tanàna ambany hatrany.

 

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT