Ralitera Andrianandraina

> «Mila fanjakana matanjaka isika»


  • Alatsinainy 09 Desambra 2013

Tantara vaovao no hisoratra ho an’i Madagasikara afaka herinandro vitsy. Hiverina ao anatin’ny valan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena indray i Madagasikara, ka handray ny toerany hatramin’izay.

Vita hatreto ny amin’ny mpanongam-panjakana sy ny forongony. Efa maika sy dodona amin’izany rahateo ny Malagasy, raha ny fahitana ny firohotry ny olona tonga manotrona an’ny kandida Dr Robinson Jean Louis amin’izay toerana rehetra tsidihan’ity farany. Eo ny fandaharanasany, fa tena fanovana goavana koa no miaraka aminy. Eo ny hanendreny vehivavy ho praiminisitra, dia i Neny Lalao Ravalomanana, izay tazana hatrany eo anilany amin’ireo toerana rehetra anaovan’izy ireo fampielezan-kevitra ary manentana ny olona ho tonga maro hifidy amin’ny 20 desambra. Sambany eo amin’ny tantaran’i Madagasikara no hisy praiminisitra vehivavy izany. Mila fanjakana matanjaka izany, dia ny fananana solombavambahoaka maro an’isa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Nanamafy izany Ralitera Andrianandraina, izay mametraka ho filamatra fa “ny Malagasy aloha”. Kandida depiote lah-15 ao amin’ny Boriborintany faha-2, Antananarivo Renivohitra izy, fa dia tonga nanohana an’ny kadida Dr Robinson Jean Louis teny Dorodosy, Kaominina Ambohijanaka omaly sady nanotrona ireo kandida mpiara-mitolona aminy hampandany an’ny kandida Dr Robinson eny Atsimondrano. Naseho ho fanta-bahoaka nandritra io fotoana io rahateo izy ireo, ahitana an-dRakoto Andrianiaina Jaona (Jaona miaraka amin’i Dada), lah-6, Raharimanarivo Voahangy (Ankolafy Ravalomanana) lah-33, Rasoaniaina Malalatiana (MFM) lah-19, Lucie Rasolofoniriana (AVANA) lah-2 ary i Nenifara (Fahendrena), lah-31.

RHR

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT