Rakotonirina Harijaona Lovanantenaina

> Vonona hiatrika fifidianana amin’ny 20 Desambra


  • Alarobia 13 Novambra 2013

Nampahafantarina sy natolotra tamin’ny fomba ofisialy tao Ambositra ny alatsinainy 11 novambra ireo kandida hirotsaka depiote ao amin’ny ankolafy Ravalomanana sy Zanak’i Dada ao amin’ny faritra Amoron’i Mania.

Samy manana ny maha izy azy avy izy ireo ary sahy hiatrika ny safidim-bahoaka avokoa. Nisaotra manokana ireo mpifidy rehetra tao amin’ny faritra Amoron’i Mania ihany koa ny kandida depiote ao Ambositra Rakotonirina Harijaona Lovanantenaina, sady mpandrindram-paritry ny ankolafy Ravalomanana ao Amoron’i Mania. Nambarany fa efa vonona hiatrika ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa ka hanohana hatrany ny kandida Dr Jean Louis Robinson ao amin’ny faritra ny ekipa miaraka aminy sy ho fampandaniana azy ho depiote ao Ambositra. Ireo vahoaka any ifotony tsy mbola nivadika tamin’ny filoha Marc Ravalomanana no nanaovan’izy ireo fanentanana mafy amin’izao fotoana izao.

 

 

 

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT