Rakotonirina Doda Arison

> Manohy ny fanatonana sy fanampiana ireo vahoaka


  • Alatsinainy 02 Desambra 2013

Tetsy amin’ny Fokontanin’i Besarety indray no nanatanterahan’ny kandida laharana faha-26 ao amin’ny Boriborintany faha-3 Rakotonirina Doda Arison sy ny mpiara-dia aminy ny fanolorana fitaovam-pianarana sy fanadiovana lakandrano.

Mpianatra miisa 150 no notolorana fitaovam-pianarana miampy akanjo aro orana, ary olona miisa 100 kosa no nanatanteraka ny fanadiovana ny lakandrano izay natao asa tanamaro. Manamafy ny tsy mbola nidirany tamin’ny tontolo politika ity kandida ity, izany hoe mbola tena olom-baovao izy ireo. Ny Gasy Tia Tanindrazana rahateo dia fikambanana manabe ny olona mba tsy ho mora rebireben’ny voninahitra, ny toerana ambony sy ny vola aman-karena fa mba hitsinjo ny farany. Izany indrindra no mahatonga azy ireo vonona hanolotra ny karamany raha toa ka lany solombavambahoaka izy ho an’ireo Fokontany 5 nanome anjara vato be indrindra ho azy ireo. Tsy resaka fanamboarana fotodrafitrasa fa lalàna moa no tena anjara asan’ny solombavambahoaka kanefa manome toky i Doda Arison sy ireo mpiara-miasa aminy fa hitady fiaraha-miasa amina malala-tanana na eto an-toerana na avy any ivelany mba hanampy ireo fotodrafitrasa ao amin’ny Boriborintany faha-3.

 

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT