Tsara ny fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery nanafoana ireo singa nomena fahefana mihoapampana nandritra ny fitondrana tetezamita, hoy Rakotomamonjy Phillipe.
Ny fametrahana ireny karazana rafitra tsy ara-dalàna ireny mantsy no anisan’ny nanakorontana ny firenena tao anatin’ny efa-taona mahery nisian’ny krizy. Mila mitohy anefa ny fahasahian’ny mpitondra fanjakana amin’ny fanapahan-kevitra rehetra mitondra tombontsoa ho an’ny firenena, hoy ny fanampim-panazavany. Dingana iray lehibe tena andrasan’ny mpanara-baovao manaraka amin’ny filohan’ny Repoblika izao ny fanendrena izay ho Praiminisitra afaka hiaraka hiasa aminy ka ho hita eo izay tena fahavononany hamoaka amin’i Madagasikara amin’ny krizy lavareny nampahantra sy nandreraka ny mpiray tanindrazana izay. Toraka izany ihany koa ireo mpikambana rehetra ao anatin’ny governemanta vaovao izay mila olon-baovao mahafehy ny departemanta hotantaniny sy manana ny fahaiza-manao amin’izany. Tokony hanaja ny toky nomeny sy ny fifanarahana tamin’ireo olom-pirenena nifidy azy ireo ihany koa ireo solombavambahoaka mpanao lalàna mba tsy handiso fanantenana azy ireo, hoy ihany ity mpandraharaha ity. Amin’ny maha mpikambana ao amin’ny ankolafy Ravalomanana azy kosa no nanambarany fa mila manatanteraka ny anjara andraikiny ny fianakaviambe iraisam-pirenena tamin’ireo vary mangatsiaka tsy tanteraka voarakitra ao anatin’ny sori-dalana. Mieritreritra moa ity olom-pirenena ity fa tena laharam-pahamehana ny sehatra sosialy toy ny famoronana asa izay fanoitra iray ho an’ny fampandrosoana ny firenena. Ankoatra izay dia mila tomorina akaiky ny «comptoir de l’or» mba hahamarin-toerana ny sandam-bola malagasy, hoy ny tenany. Soso-keviny ihany koa ny hamondronana ny tafika, ny polisy ary ny zandary ho eo ambany fifehezana rafitra iray.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.