Tsy manam-pitsaharana ny fijerena ifotony ny vahoaka tahaka izay efa natao nanomboka tamin’ny fiandohan’ny tolona famerenana ny ara-dalàna hatramin’ny taona 2009 izay, hoy ny kandidà ho solombavambahoaka ao amin’ny Distrikan’Antananarivo Atsimondrano, Rakoto Andrianiaina Jaona na ny MCT Jaona Galana ho an’ny tena mpiaraka aminy. Manantena ny rehetra, indrindra ny vahoakan’Atsimondrano mbola hanohy ny asa rehetra efa niarahana nanao hatramin’izay ny tenako, hoy izy, ary koa hifanome tanana amin’ny Dr Robinson Jean Louis mba hahazoana manatanteraka ny tanjona nokinendry hatramin’izay 5 taona latsaka kely izay dia ny famerenana ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana. Nosafidianay manokana ny tarigetra hoe : “Jaona miaraka amin’i Dada”, hoy ity kandidà ity, mba hiavahana amin’ny hafa satria ny anarana tanimboanjo ary ambara ao anatin’izany fa tsy misy afa-tsy ny tenako no Jaona miaraka amin’ny filoha Marc Ravalomanana ao Atsimondrano.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.