Raiso ny dimy

> Miezaka mijery ny sosialim-bahoaka eny ifotony


  • Zoma 08 Novambra 2013

Tahaka ny efa fanaony hatramin’izay enim-bolana nisiany izay dia nanatontosa fidinana ifotony teny amin’ny fokontanin’Analamahitsy tanàna ny fikambanana Raiso ny Dimy omaly maraina.

Notsindrian’Atoa Rasolojaona Tahiana nandritra izany fa fampahafantarana amin’ny vahoaka ny fisian’ny fikambanana sady fihainoana ny hetahetan’ireo vahoaka ny antony hanatanterahany miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy izao. «Ny lafiny maha olona sy ny zavatra tena ilainy ary ny fomba hiatrehany izao fahasahiranana eto amin’ny firenena izao no tena mahaliana anay ary tianay ho fantatra ahafahana manatsara ireo rehetra izay tsy mbola lavorary. Tsy  misy ambadika politika  araka ny ahian’ny rehetra izao satria sady tsy manazava ny programan’asa izahay no tsy mitaona olona hifidy fa mba miezaka manakaiky ireo vahoaka fotsiny sady mihaino ny feony», hoy Rasolojaona Tahiana na Jaytaxx. Tsapa nandritra izao fidinany ifotony izao fa na dia Fokontany iray aza ilay notsidihana dia samihafa tokoa ny zavatra ilain’izy ireo maika. Nisongadina tamin’izany ny tsy fahampiana eo amin’ny fanovozana rano fisotro, toerana fanasan-damba ary ny tsy fisiana lavapiringa ara-pahasalamana. Etsy an-danin’izay dia mahavelombolo ireo vahoaka tena sahirana ny fifampiresahana satria nambaran’izy ireo fa tsy fanao intsony izany izao. Antenaina fotsiny hoy hatrany ireo izay nanontanianay mba hitohy izao fifampiresahana izao fa tsy ho adino izahay rehefa azony izay ilainy tahaka ireo hafa rehetra.

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT