Raiamandreny ara-drazana Malagasy

> Mahatsiaro ho very hasina eo anivon’ny fiarahamonina


  • Talata 12 Novambra 2013

Marary ny tany, marary ny Malagasy ! Izay no azo ambara mikasika ny eto amin’ny firenena ankehitriny, hoy ry zareo Raiamandreny ara-drazana malagasy, teo am-panombohana ny famakiana ny fehin-kevitry ny Filankevi-pirenena nataon’izy ireo teny amin’ny Cenacle an-dry Masera teny Ambohipo omaly.

Marihina fa nandritra ny telo andro ny atrikasa. Marary ka mila fandraisana andraikitry ny rehetra, hoy Atoa Ramananatsoa Jean Charles tompon’andraikitra ao amin’ny USC/USN (Union de la Société Civile pour l’Unité et la Solidarité Nationale). Zavatra telo loha no nivoitra tao anatin’ilay fehinkevitra. Voalohany ny fahatsapana fa very hasina eo anivon’ny fiarahamonina ny Raiamandreny ara-drazana noho ny fahapotehan’ny soatoavina ka mila tetikasam-panjakana entina hanomezan-danja indray azy ireo. Faharoa dia ny tokony hahatompon’andraikitra voalohany an’ireo raiamandreny ara-drazana amin’ny fampihavanam-pirenena miaraka amin’ny FFM sy ny FFKM satria mila firaisankina ny Malagasy. Ary fahatelo farany dia ny fanapahan-kevitra noraisin’ny mpizaika fa hanatanteraka fihaonambem-pirenena eto Antananarivo ry zareo mialoha ny faran’ity taona 2013 ity. Nanome voninahitra ny fotoam-pamaranana ny minisitry ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana, Atoa Manantsoa Victor izay nanamarika fa tsy misy fitsabahana mivantana na teritery avy amin’ny fanjakana tamin’izao hetsika izao. Teny fohy fanamarihana avy amin’ny solontenan’ny Andriana eto Imerina mpampiantrano rehefa avy nisaotra ireo mpizaika rehetra sy ny ministera mpiahy no nampieritreritra ny maro tamin’ny filazana fa ny tenin’Andriana izay tapaka teto dia mila velirano, ka tsy maintsy tanterahina amin’ny maha-tenin’Andriana azy fa raha tsy izany dia hahamenatra eo imason’ny vahoaka.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT