Raharinirina Jacques Aimé

> «Nofinofy ny hivoahana amin’ny krizy raha tsy tafody i Marc Ravalomanana»


  • Zoma 29 Novambra 2013

Manana ny heviny mikasika an’ilay raharaha fikasana hamoaka vola 16 miliara Ariary tao amin’ny Tahirim-bolam-panjakana farany teo ny CST Raharinirina Jacques Aimé voatendry avy any Amoron’i Mania.

Nambarany àry fa manitatra zavatra be dia be iny toe-javatra iny fa tsy mampitony ny sain’ny mpiasam-panjakana ary tsy mampitombina ny fitantanana ara-bola eto amintsika koa. Voalaza fa saika nitatra tany Boeny sy Atsimo Atsinanana moa iny raharaha iny, toa manamarina izany fa tsy verivery ho azy ireo volabe tao anatin’ny fiarabe tsy laitram-bala tamin’ny fotoan’ny fampielezan-kevitra fihodinana voalohany iny. Mankahery an’ireo mpiasan’ny Tahirim-bolam-panjakana sy ny ministeran’ny fitantanam-bola izahay niaro ny volam-bahoaka, hoy ny CST Jacques Aimé, ka tsy namela intsony ny sasany hamerina ny toetra ratsy fanaony hatrizay. Mikasika ny fifidianana dia nanamafy ny efa nambarany ity CST ity, fa tsy  voavahan’io fifidianana io ny krizy ary tsy hahafoana ny fiverimberenan’ny krizy eto koa izany. Tsy mbola voaaraka an-tsakany sy an-davany ny voalazan’ny tondrozotra nataon’ny rehetra sonia nilaza fa mody izao dia izao tsy misy fepetra ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Ka raha sanatria tsy mbola tanteraka io na farafaharatsiny arahina ny voalazan’ny FFKM amin’ny tokony hanatanterahana fampihavanana dia mbola ho nofinofy ny hivoahantsika amin’ny krizy lavareny iainana ankehitriny.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT