Taorian’ny nivoahan’ny voka-pifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany ny faran’ny herinandro lasa teo, dia efa eo an-dalam-panomanana ny paik’ady rehetra hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa izay hiara-dalana amin’ny fifidianana solombavambahoaka tanteraka ny ankolafy Marc Ravalomanana amin’izao fotoana izao.
Raha ho an’ity farany no asian-teny, dia efa hita ho vonona avokoa ireo kandida natolotry ny ankolafy izay misandrahaka manerana ny fari-pifidianana rehetra manerana ny Nosy. Tsy latsa-danja tamin’izany ny fiatrehan’ny kandida Raharimanarivo Voahangy izay kandida natolotry ny ankolafy Marc Ravalomanana sy ny antoko zanak’i Dada hofidiana ao amin’ny Distrikan’Atsimondrano. Omaly tolakandro no fotoana izay natokan’ity kandida ity nangalana ny tso-drano avy tamin’ireo Raiamandreny sy olobe avy eny amin’iny Distrika iny ka teny Andohatanjona Itaosy no nanaovana izany. Nanotrona ny kandida tamin’izany ramatoa Alice Rajaonah, minisitry ny fitsarana teo aloha. Niditra nivantana an-tariby nandritra ity fihaonana ity ny filoha Marc Ravalomanana izay nanamafy fa : «tena nahazo ny tso-dranon’i Dada ramatoa Voahangy Raharimanarivo, ka mivonona ianareo hiaraka hiasa aminy satria tokana ny tanjontsika». Tsy kisendrasendra no nanoloran’ny Ankolafy Ravalomanana an-dRaharimanarivo Voahangy ho kandida solombavambahoakan’Atsimondrano, fa noho ny traikefa maro izay efa nananany satria tsara ny manamarika fa efa mpanolotsaim-paritra ny tenany teo aloha, ary efa filoha lefitry ny mpanolotsaim-paritra teto amin’ny faritra Analamanga ihany koa izy. «Vonona ny hitondra ny hetahetan’Atsimondrano ny tenako». Distrika anisan’ny be mponina indrindra eto Madagasikara ny distrikan’Atsimondrano, misy mpifidy 254.000, koa rariny sy hitsiny raha paik’ady manokana no hiatrehana ny fampielezan-kevitra amin’ity indray mitoraka ity, ary efa nivonona ny amin’izany isika, hoy izy. Nasiany tsindrim-peo ny fihetsik’ireo kandida sasany, izay lasa mifaninana manao asa sosialy tampoka etsy sy eroa, ka nilazany fa ny asan’ny solombavambahoaka dia hanao lalàna sy hanara-maso ny asan’ny mpanatanteraka, koa mila mitandrina isika fa sao dia voafitak’ireny. Nanome toromarika ny olona ny tenany tamin’izany ary nilaza fa raiso rehefa manome anareo ireny fa kosa ny safidy aza amidy.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.