Actualités

Raharaham-pitsarana ny Kohën Rivo Lala Misy ambadika politika hoy izy


  • Alarobia 23 Janoary 2013

Tena misy ambadika politika fotsiny izao, hanakanana ahy tsy hirotsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena efa nambarako, ny fitabatabana amin’ny alalan’ny haino amanjery lava izao ny raharaham-pitsarana hitoriana ahy rehefa nalaina ambony nalaina ambany, hoy ny Kohën Rivo Lala mpanorina ny fiangonana “Hébraďque Judaďsme Messianique” eto Madagasikara

 Efa nametraka ny fahatokisana amin’ny fitsarana Malagasy hatrany am-piandohan’ity raharaha ity aho, hoy izy, ary matoky tanteraka ny fahaizan’izy ireo. Tsy nasiany teny firy araka izany ny fizotran’ny famotorana natao azy sy ny fizotran’ny fitsarana rahateo fa novakiany bantsilana kosa fa tetika famotehana ny hoaviny izay efa tena miroborobo fatratra ankehitriny ny fanasoketana nataon’ny mpitory ahy izay mikendry ny hanaovana lavanty ny fananako manontolo ary mangataka onitra 80 tapitrisa Ariary miaraka amin’izany. Hifarana amin’ny zoma izao moa amin’ny famoahan’ny fitsarana ambaratonga voalohany etsy Anosy ny didim-pitsarana ity raharaha miendrika horonan-tsarimihetsika tena izy ity. 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

Hijery ny tohiny
FTT