Actualités

Raharaha Toliara Voafitaka ny polisy : dimy MD any Ambatolampy, dimy nahazo LP


  • Alarobia 28 Desambra 2011

Tokony ho tamin’ny dimy ora hariva omaly no vita ny fanolorana ny fampanoavana ireo polisy miisa iraika ambin’ny folo avy any Toliara.

 Dimy naiditra am-ponja vonjimaika eny Ambatolampy raha Tsiafahy no voatondro teo am-boalohany, dimy hafa nahazo fahafahana vonjimaika ary ny iray kosa dia fantatra fa tsy voarohirohy tao anatin’ny raharaha mihitsy fa vavolombelona fotsiny. Amin’ny 11 janoary 2012 no handeha ny fanadihadiana ifotony momba azy ireo. Inona ny zava-nitranga ka nahatonga ireo polisy tao amin’ny FIP nanaiky tampoka ny hanolorana ireo namany any amin’ny fitsarana indray ? Raha ny fantatra dia tonga teny amin’ny FIP Antanimora avokoa ny olobe (CT sy CST) avy any Toliara niaraka tamin’ny minisitry ny filaminana anatiny. Nampiasaina ihany koa ny fianakavian’ireo voatazona tamin’ny famahana ny olana.

Nampanantenaina ireo polisy fa tsy maintsy hanao izay hamoahana azy ireo any am-ponja io vondron’ny mpitandro ny filaminana io. Toe-javatra izay heverina fa fampandriana adrisa ihany satria hanaiky mora foana ve ny mpitsara izay mbola mihizingizina amin’ny fitokonana ankehitriny ? Vono olona, fandratrana niniana natao, fikambanan-jiolahy, fikomiana, fikasana hitsoaka ny fonja, fitazonana an-keriny ary halatra basy, no niampangana ireo polisy maromaro. Izany hoe heloka bevava tsotr’izao.

Midika izany rehetra izany fa voafitaka ireo polisy tao amin’ny FIP satria tsy hisy ho afaka mora foana izany intsony ireo izay voatazona am-ponja ireo. Ny tombontsoan’ny tomponandraikitra no nojerena fa herim-po very maina ny hetsik’ireo polisy izay nitaky ny tokony hotakiany momba ity raharaha ity. Dia mitombo isa indray izany ny miaramila any am-ponja. Ny eo tsy tafavoaka, ny hafa misosoka ihany. Nisantatra azy ny teny Ambohijanaka, izay avy amin’ny tafika ny ankamaroany, nandalo ny FIGN izay zandary avokoa, nanampy ny BANI izay nahitana zandary sy miaramila, dia izao indray ny raharaha Toliara izay mahavoarohirohy polisy ranofotsiny. Tato anatin’izao fitondrana hafahafa izao avokoa no itrangan’izany. Hampisy fitoniana sa vao mainka hiteraka savorovoro ity toe-javatra ity ? Ho hita eo ihany ny tohiny.

S.T

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT