Actualités

Raharaha Toliara Polisin’ny FIP 25 nalefa hiaro ny namany


  • Alakamisy 15 Desambra 2011

Roa andro lasa izay no niainga teto an-drenivohitra ireo polisin’ny FIP Antanimora izay nalefa hihazo an’i Toliara.

 Ny andrasana amin’izy ireo dia ny handray ny asan’ireo izay voarohirohy aloha mandra-pisian’ny didim-pitsarana, izany hoe manao ny asa ankapobeny. Na izany aza anefa dia voatendry hiaro ireo polisy izay efa nesorina basy ao Toliara. Efa nisy koa ny fampiantsoana nataon’ny tribonaly ao an-toerana saingy hatreto aloha dia tsy nisy namaly an’izany. Mihantona eo indray ny raharaha satria ny mpitsara dia tsy mety manatona ny biraon’ny polisy sao koa mbola hiharan’ny herisetra eo indray.

Nilaza ny polisy fa nisy antony matoa tonga tamin’iny famonoana iny. Nambaran’ireo nahavanon-doza fa nahita ny aferana “bois de rose” teo anivon’ny fadin-tseranana ilay polisy izay niasa tao rahateo, dia voatery namoronana dosie. Dia mbola izy indray no nigadra taty aoriana vokatr’izany hany ka nahatonga ny namany hirohotra. Raha ny fantatra dia misy baikon’ny polisy avy aty an-drenivohitra ny amin’ny hoe tsy azo hikitihana ireo polisy fito voatonona ho tomponandraikitra tamin’ny famonoana ny mpitsara Rehavana Michel. Eto an-drenivohitra indray dia mbola mihenjana ny tady eo anivon’ny polisy sy ny mpitsara. Ireto farany dia tsy manaiky raha tsy manao fialan-tsiny ny polisy taorian’ilay fanambarana nataony izay toa mainka mandranitra ny mpitsara.

G.T

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT