Nivoaka tamin'ny fahanginana omaly ny fikambanan'ny kaomisera.
kaomisera Tsaramonina Ravony Jean Victor no nisolo tena ireo fikambanana dimy misy eo anivon'ny polisim-pirenena. Fampitandremana an-kolaka ny mpitsara mihitsy no nataon'izy ireo tamin'izany. Nilaza ny tenany tetsy Anosy fa ny mpitsara no manakorontana ny firenena. Betsaka hoy izy ireo ny ezaka efa natao na ny fanatonana ny sendikan'ny mpitsara nataon'izy ireo aza. Misy tanjona hafa ny an'ny mpitsara ka lasa fitaovana politika ilay zava-nahazo an'i Rehavana Michel. Tokony hiray hina amin'ny fampiharana ny lalàna ny polisy sy ny mpitsara fa tsy hifanenjika.
Anisan'ny lesoka izay nolazain'ireto kaomisera ireto ka nahatonga izao olana izao ny tsy fisian'ny “ordre de poursuite” na fahazoan-dalana manenjika ny polisy eny amin'ny fitsarana avy amin'ny lehiben'ny polisy. Io olona io dia nitranga tamin'ilay polisy izay namoahana didy fanagadrana dimy taona an-tranomaizina tany Toliara. Tezitra ireo namany dia nioko satria tsy nanara-dalàna ny fomba nanamelohana ilay polisy. Voarakitra ao amin'ny lalàna 96-026 mihitsy io fa tokony hahazo fahazoan-dalana amin'ny lehibeny ny polisy vao azo henjehina afa tsy ny tratra ambodiomby ihany. Nolazain'ireo kaomisera ary omaly fa hatramin'io nanenjehana io polisy tany Toliara io ka hatramin'ny nanagadrana ireo namany 11 hatramin'ny afak'omaly dia tsy mbola nisy io fahazoan-dalana io. Ny mpitsara no tokony hitaky an'io raha tena vonona ny hanara-dalàna tokoa, hoy izy ireo. Raha izao zava-misy izao no mitohy dia zavatra hafa no hitranga eto Madagasikara.
Efa nisy ny fangatahana fahafahana vonjimaika ho an'ireo namany naiditra am-ponja saingy tsy misy valiny izany noho ny mpitsara mitokona. Azo heverina ve hoy izy ireo raha ny polisy no mitokona ao anatin'ny tapak’andro fotsiny ohatra. Tsy maintsy ny vahoaka hatrany no mizaka ny vokany. Nilaza ihany koa izy ireo fa tokony hisy ny fihaonamben'ny polisy manerana ny nosy izay handinihana ny olana rehetra eo anivon'ny polisy. Hatramin'ny afak'omaly aloha dia polisy 18 ihany no efa natolotra ny Fitsarana. Ahiana hitatra ity olana ity satria tamin'ny herinandro dia efa nisy ny fihaonana teo amin'ireo kaomisera sy ny tompon'andraikitry ny fikambanan'ny kaomisera. Herinandro aty aoriana vao nivoaka tamin'ny fahanginana ireo polisy. Ho hita eo ny tohiny.
Titan
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.