Raharaha “Tiako i Madagasikara”

> Nandresy ary filoha nasionaly i Razoarimihaja Solofonantenaina


  • Alakamisy 05 Desambra 2013

Namoaka didy momba ny raharaha Tiako i Madagasikara ny Filankevi-panjakana omaly, ka dia resy ny tariky ry Raharinaivo Andrianatoandro ary tsy mahazo mitondra na mampiasa ny anaran’ny TIM intsony manomboka izao satria tsy manankery intsony izany ny didim-pitondrana vonjimaika nomen’ny ministeran’ny atitany azy ireo.

Manomboka izao dia miverina ho Atoa Razoarimihaja Solofonantenaina no filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara. Tapitra hatreo izany ny fisolokiana, fisandohan’andraikitra nataon’ny ekipan-dRaharinaivo Andrianantoandro. Mazava io didy io ary tena zon’ny TIM tena izy mihitsy no mitory ireo rehetra mbola misandoka mampiasa io anarana io ihany manomboka izao. Tokony ho tapitra hatreo ihany koa izany ny fahasahiranantsain’ireo mpikambana Tiako i Madagasikara manerana ny Nosy, fa dia efa mazava amin’izay ny resaka. Raha ny fahafantarana azy aloha dia miara-dia amin’ny ankolafy Ravalomanana ny antoko TIM ka noho izany dia manohana ny Dr Robinson  Jean Louis; misy ihany ireo mpanao politika nampiasa ny anaran’ity antoko ity mba nisolelahana tany amin’ny filohan’ny tetezamita, dia nahazo seza izy ireo ary ankehitriny dia manohana ny kandidam-panjakana. Olom-bitsy tsy mahasolo tena ny TIM anefa izy ireo ary tsy mampiova inona ny fialany na ny fijanonany.

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison FĂ©lix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT