Ny fitavozavozana teo amin’ny resaka serasera no tena olana goavana tamin’ny raharaha Daewoo Logistics ity. Fitavozavozana nohararaotin’ireo mpanohitra nentina nanonganana ny fanjakana.
Tamin’izany no nandemen’izy ireo ny sain’ny Malagasy, izay maro an’isa no sady tsy dia nahita fianarana firy ka tsy sarotra ny nanova ny vaovao sy namafy lainga satria vitsy ireo afaka mamakafaka. Hatramin’izao moa dia mitohy hatrany ny famafazana lainga. Indro entina aminao izao ny tena fandehan’ity raharaha namaivay ity, araka ny vaovao marim-pototra sy azo hamarinina. ‘Bail emphytéotique’, izany hoe raha adika tsotsotra dia fanofana tany, fa tsy fivarotana tanteraka, araka izay nivoizana azy tsy akory, no fikasana nataon’ilay orinasa koreana Daewoo Logistics natao teto amintsika. Tsy mbola voafaritra akory tamin’izany fotoana, izany tany amin’ny taona 2008 tany, ny hoe firy taona no hanofan’ny Daewoo ny tany, na koa hoe ohatrinona no vola aloa ? Vao ny fijerena ny tany hofaina mirefy 1 tapitrisa Hektara fotsiny no nokasain’ity orinasa natao. Tamin’izany aza, tsy voafaritra akory ny toerana misy ilay tany. Rehefa hijirika ireo mpandraharaha koreana, dia nahazo ny fahazoan-dàlana avy amin’ny fanjakana malagasy hijery ny tany. Tsara ny mampahafantatra fa misy dingana maro arahina amin’ny fampanofana tany. Eo aloha ny fijerena ny tany, eo koa ilay hoe famantarana ny mombamomba ilay tany, ny ‘publication’ sy ny maro hafa. Tsy maintsy mandalo filankevitry ny governemanta ihany koa, izay manapaka ny hofan’ny tany sy ny fe-potoana hanofana ny tany. Tsy mbola nisy fifanarahana vita teo amin’ny fanjakana malagasy sy ity orinasa vahiny goavana ity fa dia afaka nijery ny tany ireo mpandraharaha koreana. Nitondra mpanao gazety moa izy ireo tamin’ny fijerena ny tany. Raha nandre ny vaovao navoakan’ireo mpanao gazety koreana ny avy amin’ny Financial Times dia niantso ny Daewoo Logistics. Teo no nisy ny tsy fifankahazoana, araka ny fanazavana. Izay no nahatonga ireny resabe ireny, satria dia novoizin’ireo gazety ‘nanohitra’ ny fitondrana Ravalomanana izany vaovao tsy marina izany ary lasa fitaovana politika mihitsy aza moa izy ireo no niafarany. Nisy lesoka be teo amin’ny lafiny serasera, ny Daewoo sy ny Financial Times izay tsy nanamarina ny vaovao navoakany, ny Daewoo sy ny fanjakana malagasy tsy nanazava ny tena zava-nisy marina, ary raha nanazava aza dia efa tratra aoriana, hany ka tsy nisy mpihaino intsony.
Lesoka goavana tsy hita noanoa, ary hahatsapana ny hadirin’ny asa fanaovan-gazety sy serasera satria tsy vitan’ilay hoe very anjavona ilay tetikasa mety hitondra fampandrosoana ho an’i Madagasikara fa ny fanjakana mihitsy no voaongana ary dia tompon’andraikitra amin’izany ireo nanararaotra ny tsy fahafahan’ny Malagasy namakafaka sy nandalina. Raha tsiahivina anefa dia voly katsaka sy huile de palme no nokasaina hatao teto amintsika. Ao anatin’ilay tetikasa no hananganan’ny Daewoo seranam-piaramanidina 1 na 2 sy seranan-tsambo iray manaraka ny fenitra iraisam-pirenena isaky ny 5 alina Hektara. Manginy fotsiny ireo fotodrafitrasa madinika toy ny sekoly, hopitaly, lalana sy ny maro hafa. Ny faritra Melaky, Menabe, Atsinanana ary Sava no tena nahaliana ireto mpandraharaha goavana ireto izay lasa nifindra lasy any Afrika Atsimo. I Madagasikara ity nihemotra any amin’ny gisitra, ny fampiasam-bola vahiny votsotra. Dia anjaran’ny tsirairay ny mitsakotsako.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.