Nampisavoritaka ny teo anivon’ny Tahirimbolam-panjakana ny vaovao nivoaka mikasika ilay vola roa arivo tapitrisa Ariary saika very (?) tao Toamasina, noho ny fampiasan’olon-tsotra ny taratasim-bola manokany namoahana vola be teo anivon’ny banky tsotra iray tao Toamasina nefa tratra teo anivon’ny Banky foibe tao Toamasina izay manara-maso amin’ny famoahana vola be tahaka ity.
Araka ny loharanom-baovao mahalala tsara ity raharaha ity dia “taratasim-bola nahitana sonia sy ny fitomboka ara-dalàna ary nivoaka teo anivon’ny Tahirimbolam-panjakana Antananarivo” ity namoahana vola be tao Toamasina ity. Raha ny voalazan’ny fanenjehana ireo olona efatra mifaningotra amin’ity raharaha ity, koa dia ny “faux en écriture de commerce” no vesatra iampangana an’i AJ (?), izay tsy tena anarany no nosoratana tamin’ny fitanana an-tsoratra mba hanalana azy ao anatin’ny raharaha. “Usage de faux” no vesatra niampangana an’i L, RGJ ary RSN, ireo telo lahy voatana am-ponja vonjimaika nanomboka ny 10 septambra. Fa vesatra iraisan’izy efa-dahy kosa ny “tentative d’escroquerie”. Matoa ireo ny fanenjehana nataon’ny fitsarana tao dia tsy nisy halatra taratasim-bola nataon’izy ireo fa ny sora-bola sy ny fakana ny vola tsy ara-dalàna anataon’izy ireo no nanenjehana azy, ka tokony hitarina eo anivon’ny Tahirimbolam-panjakana Antananarivo ny fanadihadiana momba izay nivoahan’ilay taratasim-bola. Mbola raharaha hitohy izy ity arakaraka ny fahazoana ny vaovao marim-pototra.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.