Actualités

Raharaha «Radion’ny Gasy» Nahazo fahafahana vonjimaika ny telo lahy


  • Zoma 30 Septambra 2011

Nahazo fahafahana vonjimaika Rakotonirina Lovanantenaina Harijaona, Ranaivosata Justin ary Rakotoarivelo Tsilavohery.

 Izy ireo dia efa samy notazomina fito volana tany Tsiafahy avokoa. “Heloka tsotra ny naha voarohirohy ireo olona ireo kanefa tonga dia tany Tsiafahy no notazomina. Anisan’ny antony nangatahanay fahafahana vonjimaika izany”, araka ny fanazavan’ny mpiaro azy ireo. Ny 22 febroary 2011 no nosamborin’ny DST ireo olona ireo. Ny 04 martsa no naiditra am-ponja teny Tsiafahy rehefa notazomina 15 andro tao amin’ny biraon’ny DST, nialohavan’ny fanolorana tamin’ny Fampanoavana. Fitrandrahana tsy ara-dalàna onjam-peo (Radion’ny Gasy), fanohintohinana ny filaminana anatiny ary firaisana tsikombakomba, no niampangana ireto telolahy izay voarohirohy tamin’ny raharaha Radion’ny Gasy ireto.

fa tsy voaisa intsony ny fangatahana fahafahana vonjimaika napetraka saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia nilefitra ihany ny fitsarana ady heloka tsotra ary nanaiky ny nanome an’izany. Tehaka sy hafaliana ny an’ny havana sy olona akaiky ireo telo lahy izay nanatrika ny fitsarana. “Ajanony ny fanaovana politika ! Ny olona nanakarama anareo izao tsy hita akory nefa ianareo notazomina fotsiny tany am-ponja”, hoy ny mpitsara nanafatra azy telo lahy talohan’ny namoahany didy. Manomboka hita soritra izany fa manafaka ireo gadra politika ny fitsarana tato ho ato, saingy amin’ny raharaha BANI izay hatao any Fianarantsoa, raha tsy misy ny fiovana, vao tena ho voaporofo izany. Na izany aza anefa dia tsy afaka mandihy tsy afa-tavony ihany ireto tafiditra amin’ny raharaha onjam-peon’ny Radion’ny Gasy ity satria fahafahana vonjimaika ihany ity nivoaka omaly ity. Omaly dia feno mpitandro ny filaminana teo anoloan’ny Lapan’ny fitsarana. Nandeha be mantsy ny feo fa hoe marobe ny olona avy any amin’ny Magro no hanatrika ny fitsarana ary mety hanakorontana. Ny nifanohitra tanteraka tamin’izany anefa no niseho. Tsy nisy ny korontana ary olona vitsivitsy ihany no nanatrika.

 

Gaby

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT