Actualités

Raharaha Radion’ny Gasy Mety hovotsorana ireo voapanga anio


  • Talata 20 Septambra 2011


 Anio no hotontosaina eny amin’ny lapan’ny Fitsarana Anosy ny fotoam-pitsarana ireo olona voarohirohy tamin’ny rahahara Radion’ny Gasy. Misy amin’ireto olona ireto no mbola voasazy eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy amin’izao fotoana izao. Ilay vehivavy Talen’ny sampana fitaizana zaza teny Ambohimitsimbina an’ny finoana Fjkm kosa dia efa nahazo fahafahana vonjimaika, andro vitsy lasa izay. Raha ny lojikan’ny fitsarana ireo raharaha rehetra nahakasika ireo olona mpanohana ny filoha Marc Ravalomanana nisesy tato ho ato, dia fahafahan’ireo voampanga no mety hiseho amin’ity anio ity. Efa nitranga izany tamin’ny raharaha Ralitera Andrianandraina. Amin’izay dia mody atao hoe efa miroso amin’ny famotsorana ireo gadra politika ny FAT. Ho hita eo izay hitranga anio.

 

Mohamed

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT