Actualités

Raharaha oniversiten’i Toamasina Nilaza ny heviny Atoa Alain Mahavimbina


  • Alatsinainy 26 Septambra 2011

“Raha amiko dia tokony ho ny alatsinainy no miditra manohy ny fianarana sy ny fanadinana, ny oniversiten’i Toamasina”, hoy ny lehiben’ny Faritra Atsinanana, Alain Mahavimbina, raha nihaona manokana tamin’ny mpanao gazety tao Toamasina ny faran’ny herinandro teo.

 Nambarany fa raha ny lafiny teknika dia efa vonona ireo mpanabe hanohy ny fampianarana ao Barikadimy. Miaiky anefa izy fa mbola indro kely ny lafiny fandriampahalemana ary ny fandaminana ny tontolo sosialin’ny mpianatra, tsy maintsy alamina mba tsy hiteraka olana indray amin’ny fidirana manaraka. Manoloana ny fitakian’ny mpianatra amin’ny hanalana amin’ny toerany ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina, Horace Gatien, dia nilaza i Alain Mahavimbina fa “tsy miankina amin’ny Faritra ny fandraisana fanapahan-kevitra mikasika izany, fa an’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny governemanta”. Ny zava-misy anefa dia io fanalana an’Atoa Horace Gatien io no misakana ny tsy hivahan’ny olana hatreto. Ny mpianatra Grand Sud milaza fa tsy hanaiky hatramin’ny farany raha tsy miala ny filohan’ny oniversite, ny andaniny avy amin’ny FITEFA kosa dia manizingizina fa ny mpianatra no nifamono fa tsy olan’ny mpianatra sy ny filohan’ny oniversite ka tsy ekena izany fitakiana izany. Ireo mpianatra avy amin’ny fikambanana hafa elanelam-panahy, izay ahitana ny fikambanana JUNT zanak’i Toamasina indray dia mitaky ny hamahana haingana ny olana sao mitarika taona fotsy. Nisy ny fihaonan’i Alain Mahavimbina tamin’ireo fikambanana sy ray aman-drenin’ny mpianatra samy hafa, ny zoma tolakandro teo, nijerena ny fandaminana ny raharaha. Ho hita eo ny ho tohin’ny raharaha, satria maro rahateo ireo mpianatra efa namonjy ny tany fiaviany sy ny ray aman-dreniny entin’ny tahotra sakoroka sy fifamonoana ary valifaty. Manampy trotraka izany ny nitazonana am-ponja ireo mpianatra roa lahy, mpikambana ao amin’ny FITEFA.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT