Ny talata 06 desambra alina no niditra am-ponja vonjimaika, izy mirahalahy dia i Ficolin, 33 taona, “bosco”-n’ny vedety sy Landry, 26 taona, “skipper”-n´ilay vedety, raha avy niakatra fampanoavana izay ny lehiben´ny fampanoavana avy hatrany no nisahana ny antontan-taratasin´ady rehetra.
Vono olona tsy niniana natao sy fandratrana olona tsy niniana natao” no hanenjehan´ny fitsarana azy mirahalahy ireo. Ankilan´izay, dia nisy koa ny fanampim-panazavana azo tamin´ireo mpitondra ny vedety niditra am-ponja vonjimaika ireto, izay mety azo alaina ho vaovao marina ihany koa satria anisan’ny nahita sy niaina ny zava-nitranga koa izy ireo, nefa araka ny nambarany “noezahina tsy nohenoina mihitsy ny fanazavana nataony izay nahatonga ny loza an-dranomasina nahafaty ny minisitry ny mponina iny”. Araka ny fanazavana nomen´izy ireo, dia “tamin´ny 02ora latsaka 10 tolakandro izy ireo no niala ny fiantsonana tao Sainte Marie, raha nahazo baiko tamin´ny “patron”-ny fa amin´ny 12ora no miainga ary nanenjika ny fotoana na mbola nanatitra olona tao Soanierana Ivongo aza ny maraina”. Nohamafisin´izy mirahalahy ireto hatrany fa “tsy niniana novonoina izany ny minisitra sy ireo mpiara-dia niaraka taminy.
Vokatry ny lanja tsy nitovy teo amin´ny vedety teo am-pidirana ny vavalapasy ary vokatry ny onja roa nifanaraka no nahatonga ny loza”. “Ny antony nahatonga izany, dia ny fitsanganan´ireo mpaka sary telo mirahalahy naka ilay sarin’ny onjan-dranomasina, ary raha lena vokatry ny fitopany izy ireo dia natahotra ka nifindra nipetraka tamin´ny ilany ka nampitongilana ny vedety ary ilay onja faharoa nanaraka ilay voalohany nandena azy ireo no nampivadika ny vedety noho io lanja tsy nitovy intsony io, no nahatonga ny fivadihan´ny vedety”, hoy izy ireo. Nohamafisin´izy mirahalahy ireto ihany koa, ary nohitrikitrihiny mafy fa “ny entana tao anaty “soute” fitoeran´ny entana no nisy ilay zavatra nipoaka ary tena nampiainga ilay vedety mihitsy. Ireo entana ireo dia tsy nisy nanalana, tao anatin´ny fiaran´ny lehiben´ny Distrikan’i Sainte Marie izay nitondra ny minisitra Nadine Ramaroson”. Ankoatra izay, dia tsy mbola tonga eo anivon´ny fampanoavana Toamasina, ilay antontan-taratasy milaza ny fanadihadiana nataon´ny fianakaviana Ramaroson. Fantatra ihany koa fa fanadihadiana dimy samy hafa no natao tamin´izy mirahalahy ireto, ary olona samy hafa no nanao izany, vao tonga amin´izao fanadihadian´ny fampanoavana izao.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.