Tontosa omaly tetsy amin’ny efitrano faha-6 ny Lapan’ny fitsarana Anosy ny fitsarana ny MCT Rarison Hilarion sady kandida solombavambahoaka ao Fianarantsoa I avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana.
Amin’ny zoma ho avy izao no nambaran’ny mpitsara fa hamoahan-dry zareo ny didy mikasika azy ity. Niatrika an’io fitsarana io ny tenanay, hoy ny Rév. Satrobory, satria manana adidy sy andraikitra amin’ny maha raiamandreny anay. Marihina, hoy izy, fa nisy fotoana nihazonana an’ity MCT ity tany amin’ny zandary ary ny sabotsy teo izay vao navoaka. Ity fotoam-pitsarana ity, hoy ihany ny Rév. Satrobory, dia nahalalana fa nisy ny teny tsy hifankahazoana satria ilay nambara ho mpitory dia tsy tonga teo anatrehan’ny fitsarana fa efa nanambara an-gazety ka nilaza ho tsy mahalala ary tsy manana olana amin’ny MCT Hilarion. Vao nivoaka ny efitrano fitsarana ny voampanga sy ny mpanotrona azy rehetra dia vavaka fisaorana an’Andriamanitra sy fangataham-pitahiana ho an’ny didy izay hivoaka no niarahan’ny rehetra nanao mba handroahana an’i Satana tsy hahavita hampiady an-trano ny Malagasy. Izaho dia manambara mazava fa tsy mitondra fitoniana ny trangan-javatra tahaka izao atao amin’ny MCT Hilario izao, hoy ny Révérend Satrobory. Izany no ijoroako ankehitriny fa mila raiamandreny ity tanàna renivohitr’i Madagasikara ity, ary vonona aho, hoy ity farany, ny hiatrika fifidianana Ben’ny tanàna.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.