Actualités

Raharaha Kaomisera Mahamasina “Tsy mahay ny asany !”, hoy ny Tale jeneralin’ny polisy


  • Alarobia 12 Oktobra 2011

Nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly hariva ny Tale jeneralin’ny polisim-pirenena, ny jeneraly Rakotondratsima Désiré.

 nitsitsy fitenenana mihitsy ity farany tamin’izany raha niresaka mikasika ny kaomisera Rakotonjanahary Fidèle izay lehiben’ny polisy etsy
Mahamasina. Tsy maintsy afindra, hoy izy io kaomisera io ary tsy atao lehiben’ny sampandraharaha fa lefitry ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina. Tsy vitan’izay fa mbola nambarany ihany koa fa “tsy mahay ny asany ity kaomisera ity ka izay no antony hamindrana azy”. Mikasika ny fidiran’ny fiadidiana ny filohan’ny FAT amin’ity raharaha ity dia nivantana mihitsy ity tale jeneraly ity nanoloana ireo mpanao gazety maro be. «Aoka, hoy izy, tsy arovana ny polisy manao hadalana». Tsy maintsy hisy, araka izany, ny fampiakarana ity kaomisera ity eo amin’ny filankevi-pifehezana na ny CODIS.

Mahamenatra mantsy, hoy ihany, ny Tale jeneraly raha kaomisera no manao fihetsika sahala amin’ireny. Inoana fa hitatra ity resaka kaomisera Mahamasina ity satria ity farany dia milaza hatrany fa tsy hanaiky ny famindran-toerana izay natao taminy vokatry ny nataon’ny sivily mampiady ny polisim-pirenena. Mikasika ilay famindran-toerana amin’ny fotoam-pianarana indray dia nilaza ity tompon’andraikitry ny polisy fa raha tany ivelan’ny renivohitra no nalefa ity kaomisera ity dia mitombina ilay hoe tokony ho tamin’ny fotoam-pialantsasatra no tokony ho namindrana azy. Eto Antananarivo ihany, hoy izy ilay famindran-toerana ka tsy tokony hisy olana mihitsy.

Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT