Actualités

Raharaha “Joseph Akiva” Hiditra an-tsehatra ny Israelianina


  • Alakamisy 26 Janoary 2012

Tsy manaiky mora foana ny zava-mahazo ny teratany Israelianina ny fitondrana any an-toerana.

 Ankoatra an'i Joseph Akiva izay nosamborin'ny DST teny amin'ny Carlton ny 20 janoary teo mantsy dia mbola mandefa filazana fikarohana manerana ireo polisy sy zandary eran'ny Nosy ny DST mahakasika an'i Nassar. Ity farany izay araka ny loharanom-baovao no voalaza fa namana akaiky an'i Joseph Akiva amin'ny fanaovana mersenera. Ny zava-misy anefa tamin'ny famotorana an'i Joseph dia nanonona anarana Karana mpanefoefo iray izay olona akaikin'ny FAT ny tenany ho mpiara-miasa aminy ary anisan'ny antony nahatonga azy eto Madagasikara izany. Mahakasika ny mpitondra israelianina kosa indray dia fantatra fa vonona ny hifampidinika amin'ny fitondrana eto an-toerana izy ireo amin'ny mahakasika ireo terataniny roa ireo. I Joseph Akiva izay hatry ny omaly mbola voatazona etsy amin'ny BC.
Titi

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT