Taorian’ny fanamarihana miendrika ahiahy nataon’ny SMM (Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara) tamin’ny nahazoan’i Jao Jean fahafahana vonjimaika ny faran’ny herinandro teo, nefa voarohirohy ho nanolana zazavavy tsy ampy taona tany Antsohihy tamin’ny paka 2011, dia nivoaka tamin’ny fahanginany koa ireo Olobe avy any Antsohihy.
Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Mahamasina izy ireo omaly, naneho ny alahelony tamin’ny namoahana am-ponja an’i Jao Jean ity. Manontany tena, araka izany, ny fivondronamben’ny Olobe any Antsohihy amin’ny tena antony namoahana an’i Jao Jean. Resaka politika sa antony inona ? Nambaran’ireto Olobe ireto fa tsy misy tsy mahalala ny nataon’i Jao Jean, ka nitarika ny fitanana azy am-ponja vonjimaika tao Marofoto Mahajanga, avy eo nifindra tao amin’ny hopitaly Androva Mahajanga, fa hoe marary ka mitsabo tena.
“Inona no tian’ny fanjakana hatao ?”, hoy ny fivondronamben’ny Olobe ao Antsohihy. Ry zareo ihany moa no namaly fa dia kitranoantrano no misy, izay mifanohitra amin’ny fijerin’izy ireo. Hentitra, araka izany, ny fanambaran’ireto Olobe ireto omaly fa tsy mankasitraka ny fanapahan-kevitry ny mpitsara amin’izao namoahana an’i Jao Jean izao izy ireo. Amin’izy ireo mantsy dia fanomezana vahana an’i Jao Jean izao fanapahan-kevitra izao raha toa ka dikaina ny lalàna manameloka azy.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.