Actualités

Raharaha “Jao Jean” Nampiaka-peo ireo Ben'ny tanŕna ao Sofia


  • Alakamisy 13 Oktobra 2011

Tsy nijanona tamin’ny fahanginany intsony ny vahoakan'i Sofia fa nampiakatra ny feo tamin'ny alalan'ireo Ben'ny tanŕna avy any amin'io faritra io.

 Ny fikambanan'ny Ben'ny tanàna mihitsy no nitondra ny tenin'ny vahoaka avy any an-toerana omaly, izay nanamafy fa tsy nisy velively ny fanolanana hanenjehana ity olom-boafidy ao Sofia ity. Resaka fitadiavan-tseza no mahatonga izany, hoy izy ireo, satria misy olona mikasa ny haka ny toeran'i Jao Jean kanefa matahotra ny tsy ho lany raha mifanandrina aminy ao amin'ny Faritra. Mamim-bahoaka raha ny senatera Jao Jean, ary manampy ny rehetra izy amin'ny sehatra maro, rehefa misy ilana izay fanampiana izay, hoy hatrany ireto Ben'ny tanàna ireto.

Nohamafisin'ny Ben'ny tanànan’Antsohihy, Rakotondravony Victor Mickey, fa tsy tokony hovoizina foana ity resaka fanolanana ity satria na ny hoavin'ilay zazavavy aza mety ho simba vokatr'izany. Manjary menatra ireo tanora mitovy aminy izy, hoy hatrany ity Ben'ny tanàna ity satria akorain'ny mpiara-mianatra aminy hoe : voaolana. Araka izany dia mangataka ny hisian'ny "enquête parlementaire" any an-toerana izy ireo, hanadihady izay tena zava-nisy marina. Nanao antso avo amin'ireo CST ihany koa izy ireo ny mba tsy hamelan'izy ireo hamingavingana toy izao ny mpikambana miaraka aminy.

Araka ny fantatra ihany koa, dia mbola nanatrika ny festival Voria tao an-toerana i Jao Jean ny herinandro lasa teo, izay nifarana ny alahady, saingy amin'izao fotoana izao, dia tsy misy mahita izay misy azy ny rehetra. Manahy mafy ny fandehan'ity raharaha ity, araka izany, ireo vahoakan'i Sofia. Loharanom-baovao hafa kosa no mitatitra fa eto Antananarivo ity mpikambana ao amin’ny CST ambara fa karohina fatratra amin’izao fotoana ity. Misy mpitondra ambony sy mpanakanto no mandray an-tanana ny fikarakarana azy, sy mitady ny fomba rehetra mba hampanjavona ilay dosie fa tsy mila miatrika fitsarana ingahy Jao Jean fa manimba ny “carrière” politikany, hono, araka io loharanom-baovao io hatrany.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT