Actualités

Raharaha «Jao Jean» Miriaria nefa namoahana didy fampisamborana


  • Alarobia 28 Septambra 2011


 Nifoha ny raharaha «Jao Jean». Ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara mihitsy no nanao fanambarana omaly, ary nalefa tamin’ny haino amanjerim-panjakana, izay naneho ny fahagagany ny amin’ny tsy nampiharana ny didy fampisamborana ity mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity, efa nivoaka tamin’ny volana mey 2011. Notsiahivin’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara tao amin’ny fanambarana nataony, fa voarohirohy tamin’ny fanolanana zaza tsy ampy taona tao Antsohihy ity Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity, nefa dia mbola miriaria tsy amin’ahiahy ankehitriny, ka anairan’izy ireo ny tompon’andraikitra samihafa satria dradraina foana fa tany tan-dalàna i Madagasikara, hoy ny fanambarana ihany.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT