Tsy naharitra ela fa andro iray taorian’ny nivoahan’ny lahatsoratra an-gazety izay nilaza fa nitory ny FIS ny fianakavian’i Elysé izay voalaza fa jiolahy mpiray tendro amin’ny mpanao kidnapping dia nampiantso mpanao gazety ihany koa ny Kolonely Lylison, lehiben’ny FIS.
Notanisainy tao avokoa ny nolazainy fa helok’i Elysé, ny fakana an-keriny no tena maro tamin’izany. Ny tena aisongadina dia hoe i Elysé no namono nahafaty ny kapitenin’ny zandary izay lehiben’ny sampandraharahan’ny zandary misahana ny heloka bevava. Resaka vola sandoka izay nidiran’ny teratany kaomôriana izay raharaha izay, raha tsiahivina kely. Lavon’ny jiolahy tao amin’ny hotely iray tetsy Amboanjobe ny kapiteny iray voalaza etsy ambony.
Taona maromaro taty aoriana izany dia ny FIS no nilaza fa i Elysé no tompon’andraikitra tamin’io fitifirana io. Ny fianakavian’ny maty dia nilaza fa tsy hanaiky mora foana an’ity famonoana an’i Elysé ity. Ho tonga hatraiza anefa ny hetahetan’ireo ? Hatreto mantsy dia toy ny jiolahy rehetra izay lavo ihany i Elysé. Ary mbola vondrona manan-danja amin’ny fitondrana ankehitriny ihany koa no nandray an-tanana ny fitifirana azy rehefa nolazaina fa nitsoaka izy…
G.T
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.