Actualités

Raharaha «Elysé» Ho avy ny ampamoaka


  • Alakamisy 15 Desambra 2011

Mihamazava ankehitriny ny ao ambadiky ny famonoana an’i Elysé, ilay ambara fa jiolahy raindahiny nosamborin’ny FIS tany Mahajanga tamin’ny 16 oktobra ary nindaosin’ny fahafatesana ny ampitson’io.

 Iray volana taorian’ny nahafatesany dia nametraka fitoriana ny havan’ny maty noho ny habibiana natao tamin’i Elysé ka nahafaty azy. Re anefa fa misy mitady hanarontsarona io fitoriana io, ka dia niala tamin’ny fahanginany ireo fianakavian’ny maty ary milaza ny tsy hihemotra amin’ity raharaha ity, hivoahan’ny marina. Eo amin’ity farany ity mihitsy aza no mandeha ny resaka fa dia mety hiafara amin’ny ampamoaka ny raharaha, satria dia efa mitombo ny porofo eo am-pelatanan’ny havan’ny maty fa tsy olo-meloka ny havan’izy ireo kanefa dia novonoina tsotra izao.

Fanontaniana maromaro no napetrak’izy ireo toy ny hoe maninona no olona efa mirojo vy, araka ny faritra tamin’ny tanan’i Elysé, no mbola misy diam-bala ? Iza marina no naniraka ny FIS hisambotra azy? Raha ny fanadihadiana nataon’ny fianakaviany mantsy hatreto dia sady tsy misy io didy fampisamborana io no tsy misy didim-pitsarana manameloka azy ka tsy notanterahiny nefa dia novonoina tsy nandalo famotorana. Nisy olona roa hafa niara-voasambotra tamin’i Elysé. Araka ny fanazavan’ny fianakavian’ity farany anefa dia navotsotra tsy nandalo famotorana ireo. Inona avokoa no anton’izany ? Matoky ny fahaleovantenan’ny fitsarana sy ny fahendren’ny mpitsara ny fianakavian’ny maty amin’ity “raharaha Elysé” ity. Izy ireo izay nilaza fa tsy hihemotra, fa hanao izay hivoahan’ny marina satria misy ain’olona nafoy tao, ary misy fananana very, toy ny fiara, moto ary vola ihany koa.

Tantara mitohy !

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT