Natao ny alakamisy 12 desambra teo ny fitsarana ny raharaha Dr Laivao Michel Victori izay nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ny 06 aprily 2011.
Olona 04 tamin’ireo 14 voaroiroy no tonga niatrika ny fitsarana ady heloka be vava, 08 tamin’ireo vavolombelona 11 ihany koa no niatrika ny fitsarana ary ny vadin’ny Dr Laivao Michel ihany fotsiny koa no tonga nefa izy sy ny zanany izay niara-nifatotra tamin-drainy sy nahita ny famonoana no mpitory amin’ity raharaha ity. Noho ny fisian’ny toe-javatra vaovao tokony hahitana ny marina amin’ity raharaha ity, dia nivoaka ny didy fa hahemotra ny raharaha ary hohainoana ilay zanaky ny maty nahita ny famonoana an-drainy izay 10 taona tamin’izay. Namoaka didy koa ny fitsarana ady heloka fa hosamborina sy karohina ireo voarohirohy 10 tsy niatrika fitsarana. Nivoaka toy izany koa ny didy ny hanaovana fanadihadiana an’i «Lala» tratra tamin’ilay raharaha kidnapping tao Toamasina farany teo izay misy ifandraisana amin’ity raharaha ity.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.