Actualités

Raharaha Benenitra sy Bezaha Toliara Mifanakiana ny CT Jean Gringo sy CT Razafimahefa Marcellin


  • Talata 13 Martsa 2012

Manao antso avo amin’ny Lehiben’ny fitandroana ny filaminana aty Antananarivo sy ny fitondram-panjakana mahefa mba hijery ifotony ny tena zava-misy marina any Bezaha sy Benenitra Toliara ankehitriny ny CT Rakotoniaina Jean Gringo Will avy ao Bezaha Betioky.

 Tsipahiny ny filazan’ny CT Razafimahefa Marcellin avy ao Benenitra Toliara fa nandoro tanànan’olona ny mpitandro ny filaminana tany Bezaha sy Benenitra izay nanao ny “Opération tsy mitsitsy”. Ny zava-nisy marina, hoy i Jean Gringo, dia ny tranon’ny dahalo raindahiny mampijaly ny vahoaka avy ao Avaradrano Ambony ao amin’ny Kaominin’i Manalobe sy ny manodidina io nisy nandoro io.

Tonga tany Manalobe nijery akaiky ity raharaha ity ny filohan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Alain Ramaroson, ny 9 martsa teo. Nahatsiaro voadingana anefa ny CT Gringo. Tadiavina hosarontsaromana ny marina, hoy ity farany. Notsiahiviny ny fandorana tanàna nataon’io dahalo raindahiny io tao Tanambao Kaominin’i Bezaha sy ny tao Ilôty Distrikan’i Benenitra, toy izany koa ny fahafatesan’ny komandin’ny borigadin’ny zandary tao Bezaha. Any Bezaha miandry ny fahatongavan’ny mpitondra fanjakana mahefa hanara-maso ity raharaha ity ny CT Gringo Will ankehitriny.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT