Manomboka hita soritra amin’izao fotoana izao ny tao ambadik’ilay raharaha baomba tetsy Antsakaviro.
Tsy mbola nisy ny nipika tamin’ny fanadihadiana ankoatra ny fahafantarana fa ireo mpiasan’ny banky izay voakasika no tena maro mivezivezy ao amin’ny BC tato ho ato. Loharanom-baovao akaiky ny mpanao fanadihadiana no nahafantarana fa ahiana ho ireo mpiasa ireo ihany no nifanao ratsy ary nifamandrika tao anatin’iny raharaha iny.
Eo ihany ny hoe fandrobana no tena nokasaina hatao fa nisy koa ny feo hafa nandeha teo anivon’ny mpanao fanadihadiana ny amin’ny hoe nisy fandrika iny baomba petatoko iny. Ny antony, raha ny fiheverana azy, nisy olona saika holotoina tao anatiny. Loharanom-baovao hafa indray ary akaiky ny mpitandro ny filaminana ihany no nilaza fa nisy fanafihana hafa koa nitranga tamin’iny ora sy fotoana nisian’ity baomba teny Antsakaviro ity. Izany hoe mba entina hanintonana ny sain’ny mpitandro ny filaminana ho eny Antsakaviro izany ka tsy hahafantaran’izy ireo ny tranga hafa no mety ho nanaovana an’iny. Amin’izay mantsy dia mandeha ho azy ilay fanafihana iray hafa nitranga tany ivelan’io toerana io. Mandeha avokoa ny fanadihadiana momba izany rehetra izany amin’izao fotoana…
S.T
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.