Actualités

Raharaha Banky Foibe Andrasana amin’ny zoma ny valin’ny fitorian’ny mpiasa


  • Alarobia 07 Martsa 2012

Raha nandrasana omaly dia mihemotra amin’ny zoma izao ny valin’ny fitorian’ny mpiasan’ny Banky Foibe teny amin’ny filankevi-panjakana ny fanapahan-kevitry ny Tale jeneraly izay nanery ireo mpiasa nitokona hiverina hiasa avy hatrany.

 Raha tsiahivina dia noho ny fandraisana andraikitra mihoatra noho ny voalazan’ny lalàna no antony itorian’ny mpiasa ny didy navoakan’Atoa Ratovondrahona izay misolo toerana vonjimaika ny governoran’ny Banky Foibe. Araka ny nambaran’ny mpiasa mantsy dia azo atao tokoa ny manery ny mpiasa handray ny asany tsy misy hataka andro saingy ny governora irery ihany no manana izay fahefana izay araka ny satan’ny Banky Foibe. Marihina fa efa niverina amin’ny laoniny ny asa eo anivon’ity banky ity saingy tsy mijanona akory ny tolona satria ny lafiny araka ny lalàna indray no itondrana azy. Raha mahazo rariny eo anivon’ny Filankevi-panjakana ny mpiasa dia hanohy indray ny fitokonana, araka ny nambaran’ny sasany.
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT