Nivezivezy mihitsy ny fiaran’ny mpiandry fonja omaly tamin’ny fanaterana ireo miaramila izay voarohirohy tamin’ny raharaha BANI.
Nisy ny naterina teny Antanimora, ny tany Ambatolampy, tany Arivonimamo ary koa tany Mantasoa. Tsy neken’ireo miaramila maromaro izay sady misy jeneraly no misy manamboninahitra ambony ireo anefa izany. Raha ny vaovao azo mantsy dia tsy manaiky ny hosaratsarahina izy ireo, izany hoe hapetraka amin’ny toerana tokana. “Baiko no nidina ary tsy maintsy manatanteraka izahay. Tsy nisy azo natao fa tsy maintsy naterina tany amin’ny toerana izay voatondro izy ireo” raha araka ny loharanom-baovao akaiky ireo mpiandry fonja. Raha tsiahivina dia tamin’ny 17 novambra 2010 no nikononkonona tao amin’ny tobin’ny BANI ireto manamboninahitra 16 izay nisy Jeneraly ireto, ka nanangana ny Komity miaramila ho fanavotam-pirenena. Nosamborina izy ireo rehefa voarohirohy ho nitady hanongam-panjakana.
Avy hatrany dia nalefa teny Tsiafahy ry Lietna-kolonely Charles Andrianasoavina sy ny tariny. Anisan’ny tao anaty ekipany ny minisitry ny foloalindahy izay noheverina fa akaiky an-dRajoelina satria niara-nanongam-panjakana taminy. Tao ihany koa ry Jeneraly Raoelina izay olon’ny Filoha Ravalomanana, ry Coutiti izay olon’ny Filoha Ratsiraka. Nisy ny fotoana saika hamoahana azy ireo teny Tsiafahy saingy tsy nanaiky izany ireo. Noraisina ho toy ny gadra politika hatrany ireo manamboninahitra ireo. Nanomboka tamin’ny fanasoniavana ny sori-dalana ny 17 septambra 2011, izay niova ho lalàna, dia niova tampoka ny zava-drehetra. Voatsipika tao anatin’ny andalan’io lalàna io mantsy ny tokony hamoahana ireo gadra politika rehetra, na sivily na miaramila. Na tsy mbola tapaka aza ny lalàna momba ny famotsoran-keloka dia efa nisy tamin’ny miaramila voarohirohy tamin’ny raharaha FIGN no navoaka. Nanomboka nitsiry teo ny fanantenan’ny havan’ireo olon’ny BANI. Na izany aza dia nafindra toerana fotsiny ihany ireo miaramila voakasika fa tsy navotsotra velively. Ny sasany aza dia ao Antanimora ihany fa tsy naiditra “résidence surveillée”. Tantara mitohy !
Gaby
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.