Raharaha 16 miliaran’ny BCMM

> Mpanolotsain’ny minisitra iray nosamborina


  • Alarobia 27 Novambra 2013

Maro no ho tapa-doha amin'ilay fikasana hamoaka volabe mitentina 16 miliara Ariary an'ny Biraon'ny kadasitra momba ny harena ankibon'ny tany na ny BCMM.

Nihazakazaka ny raharaha taorian'ny hetsika miendrika fanerena hivoahan'ny marina, nataon'ny mpiasan'ny Tahirim-bolam-panjakana ny alatsinainy 25 novambra teo. Ny vaovao re farany izao dia nisy lehilahy iray, navitrika teny amin’ny 13 mey tamin’ny 2009 ary mpanolotsainana minisitra amperinasa ankehitriny vao nosamborina omaly ary tazomina eny amin'ny zandarin'i Fiadanana eny hatao famotorana. Efa nisy lehilahy iray mpamerin-keloka, mpiasa taloha tao amin'ny fiadidiana ny tetezamita, ihany koa fantatra fa efa voatana noho ity raharaha ity hatrany. Ao raha matoa ireo no voatana. Azo antoka anefa fa hibaradaka ireo ka ho maro ny anarana voatonontonona ao. Olona roa rahateo tsy hahatafavoaka volabe tsy toko tsy forohana toy io fa tsy maintsy tambazotra goavana. Mba manitikitika ny saina rahateo ny hoe maninona no amin'izao ankatoky ny fampielezan-kevitry ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa izao no misy fikasana hamoaka vola be 16 miliara Ariary toy izao. Fifanojoan-javatra fotsiny ihany sa misy hifandraisany amin'izany resaka fampielezan-kevitra izany ? Iraka fotsiny ihany sa inona no tena andraikitr'ireo olona roa voatana amin'izao ireo ? Re mantsy fa nisy fivoriana nandaminana ny paikady rehetra mba hamoahana mora foana io volabe io tamina hotely iray eny Andrainarivo eny ny fiandohan'ny herinandro lasa teo iny. Hiaro ny olony ve ilay minisitra ka hanao fanelanelanana raha tsy efa nisy, sao handoro ny lambany ity raharaha ity ? Sa hamela ny mpanao famotorana hiasa malalaka hivoahan'ny tena marina ? Andron'ny mangarahara rahateo izao ary zon'ny Malagasy ny mahalala ny marina manodidina ity raharaha goavana arahin'ny maro akaiky ity.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT