Rafaralahy Bona Jean Pierre

> “Tsy manakana ny fodian-dRavalomanana izahay AV7 fa…”


  • Alarobia 29 Janoary 2014


 

Tsy misakana velively ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izahay AV 7, hoy i Rafaralahy Bona Jean Pierre, fa Malagasy mizaka ny zom-pirenena feno izy, saingy nandresy kosa izahay teo amin’ny fitoriana nataonay ka tokony hihatra aminy fotsiny aloha ny didim-pitsarana rehefa tonga izy dia ny sisa manaraka ihany fa tsy misy olona tsy tia fihavanana izany eto. Mikasika an’ilay fanampiana roa hetsy Ariary isam-bolana noraisinay mpikambana AV 7 miisa172 sy ny havan’ireo maty miisa 49 nanomboka tamin’ny taona 2009, avy amin’ny fampanantenan’ny filohan’ny tetezamita teo aloha, dia efa azo antoka ny hitohizan’izany mandritra ny taona araka ny fampanantenana azo tamin’ny volana febroary 2013 fa resaka sonia sisa no andrasana avy amin’ny tompon’andraikitra misahana izany, hoy ity filohan’ny AV7 ity.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT