Rafaliarisoa Fleurice dit Faly

> Hiady hisian’ny banky ho an’ny tanora


  • Alatsinainy 11 Novambra 2013

Kandida solombavambahoaka ao Mahajanga voalohany mirotsaka amin’ny anaran’ny antoko Pnj Mazava Rafaliarisoa Fleurice dit Faly.

Tsy mahagaga raha mifantoka bebe kokoa amin’ny tanora noho izany ny vinany raha tafapetraka eny Tsimbazaza ny tenany. Vonona ny hiaro ny tombontsoan'ny Tanora na eo amin’ny lafiny arak’asa na fandraharana ny tenany ary vonona ihany koa ny hanamora asan'ireo mpampiasa vola manoloana ny fanjakana foibe. Hiady mba hisian’ny lalàna mametraka banky natokana ho an’ny tanora i Faly ka ny fanjakana no miantoka ny fampindramam-bola tsy misy antoka amin’ny sandany ambany amin’izany. Amin’ny maha mpahay toekarena azy dia mila havaozina koa, hoy izy, ny lalàna momba ny fanondranana sy fanafarana entana. Momba ny sandam-bola indray dia heveriny fa tokony hofoanana ny MID izay mamaritra ny sandan’ny vola vahiny izay misy fiatraikany amin’ny volantsika sy ny vidin’entana. “Ireo banky tsotra izay fananan’ny vahiny no mifehy io tsenam-bola io ka rehefa foana ilay izy dia tsy afaka mandrindra ny sandam-bola araka izay tiany izy ireo. Ny Banky Foibe amiko no tokony hanao ny asan’ny MID ary ahafahana misakana ny fitotongan’ny Ariary izany”, hoy i Faly. Mihevitra koa ity zanak’Ambalavola ity fa mila havaozina ny volavolan-dalàna mifehy ny harena ankibon’ny tany hitomboan’ny tombontsoa azon’ny vahoaka amin’ireny fitrandrahana isan-karazany ireny. Farany dia milaza izy fa tokony homena isam-bolana ny fisotroan-drononon’ny zokiolona.

 Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT