Actualités

Radio Mada Nentina an-kianja tao Behoririka


  • Alakamisy 15 Septambra 2011

Omaly alarobia 14 septambra dia niavaka ny fitondran’ny Pastera Edouard Tsarahame an-tsehatra tao amin’ny Magro ny Radio Mada izay mbola akaton’ny FAT mandraka ankehitriny ka nandraisany manokana tao anaty fandaharana “Fanjaitra” ireo vahiny mirahalahy dia ny Depiote teo aloha voafidy tany Arivonimamo, Rakotomanjato Rodin sy ny filohan’ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna eto Madagasikara, Ralaiseheno Guy Maxime.

 Nanehoan’ny Pastera Edouard ny talentany ny fametraham-panontaniana nivantana tamin’ireto vahiny tompon-tranony ireto, tahaka ny hoe : inona no zava-misy ao amin’ny tafika Malagasy ao ankehitriny ? Inona no mitranga ao Ivato ao izao ? Manao ahoana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao ? Tsy am-pisalasalana ihany koa fa efa mahazatra loatra ireto vahiny ny famaliana izany rehetra izany ka nanasongadinan’izy ireo fa tsy misy afa-tsy ianareo ankolafin-tafika nampitenenina ireo sisa no mandà ny fodian’ny Filoha Ravalomanana fa misy dia misy ary maro an’isa ireo manao fivoriana any ho any eo anivonareo ao ka ny fandemena no betsaka. Mikasika ny zava-nisy teny Ivato omaly, dia nanambara ireo vahiny fa rehefa ny Ankolafy 3 no miakatra na aiza na aiza, indrindra fa any Ivato dia rakotra Emmo-reg fa rehefa … zanak’i Andry dia zara raha misy. Eo amin’ny raharaham-pirenena dia nazava ny filazan’izy mirahalahy fa tahotra no mampikorotan-tsaina ny FAT. Raha Ravalomanana anefa no eo, manome toky izahay fa telo volana dia milamina i Madagasikara. Raha ny sori-dalana natao rangopohy teny Ivato no nahavaha olana dia efa nivaha izany. Ka ny teny farany dia hoe : raha mbola mieritreritra ny FAT fa tsy hampody ny Filoha Ravalomanana dia manao sesitany ny tenany ny FAT.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT