Radio Aqua-FM Toamasina

> Nisy namaky, very avokoa ny fitaovana


  • Zoma 27 Desambra 2013


Lonilony politika tamin’ny naha-kandida solombavambahoaka ny tompon’ny onjam-peo “Aqua-FM”, sa valifaty tamin’ny fahitany ny tsy nety nandritra ny fifidianana ka nilazany ny hala-bato nitranga tao Toamasina II, sa tena asan-jiolahy tsotra izao fotsiny noho ity asan-jiolahy efa tena mahazo vahana ao Toamasina, fa nisy namaky ny alin’ny talata 24 desambra nifoha ny 25 desambra teo ny foiben’ny radio ao Ambohijafy Toamasina. Lasa avokoa ny fitaovana mamelona ny radio, isan’ireny ny “émetteurs” sy ny fitaovana miaraka aminy, ny fitaovana teo anivon’ny “Studio” rehetra ary ny solosaina enti-miasa ho an’ny mpiasa, ireo fitaovana madinika tsy nilain’ireo andian-jiolahy “toa voairaka” no sisa tafajanona. Vokatry ny fiarovana ny fananany dia naratra mafy ny tompon’ilay onjam-peo, satria ao ambony rihan’ny trano fonenany no misy ity radio fananany ity. Nisy avy hatrany ny fitoriana napetrany sy ny fikarohana ireo heverina fa nahavita ny halatra izay efa nahazoam-baovao ny alin’ny halatra ihany noho ny fifampiantsoana teo amin’ireo samy jiolahy. Voasambotra tamin’izany i Kotisy izay isany nanao ny halatra niaraka tamin’ny namany efatra izay voalaza fa saika hitady mpivarotra ireto fitaovana nangalarina. Eo am-pikarohana ny voalazan’i Kotisy tamin’ny fanadihadiana azy fa ati-doha nikotrika ny halatra antsoina hoe Lava na Vala ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny zandarimarim-pirenena Toamasina. Efa misy aloha ireo fitaovana tafaverina, saingy ny aim-ben’ny onjam-peo mihintsy no mbola tsy hita, ka misy fiatoana kely noho izany ny onjam-peon’ny “Aqua-FM” Toamasina.

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT