Actualités

QMM Raikitra indray ny barazy !


  • Zoma 11 Novambra 2011

Rehefa nilamina ny eny Mandena dia lasa ao Ehoala indray ny ady tany hifanaovan’ny QMM sy ny mponina ao an-toerana.

. Ireo farany dia tapa-kevitry ny nanao barazy mihitsy mba hanakanana ny lalana ka tsy hahafahan’ny mpiasan’ny seranana sy ny mpiasan’ny QMM mandeha ao Ehoala. Voatery nilatsaka teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana mba hanaparitaka ireo olona tamin’ny grenady mandatsa-dranomaso. Raha araka ny vaovao azo avy any an-toerana dia efa nisy hatrany ny fifampiresahana teo amin’ny fanjakana izay mpanelanelana izany sy ny QMM ary ireo olona izay milaza ho tompon’ny tany. Toa tsy nampilamina ny raharaha anefa izany. Tsy voalohany ary efa fahazaran’ny mponina ao an-toerana ny mitokona ohatr’izay raha vao voakitika ny tanin’izy ireo. Toa izay nitranga teny Mandena matetika. Manana ny rariny ireo amin’ny lafiny iray saingy ny zava-misy tsy azo lavina koa dia ny fisian’ireo mpanararaotra ka milaza ho tompon’ny tany rehefa mandeha ny fanomezam-bola avy amin’ny orinasa QMM. Mihodidina eo hatrany ny olana ao Faradofay.

S.T

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT