Velon-taraina ireo mpiasa tao amin’ny foiben-toerana fandrindrana ny fifidianana ireo kandida depiote miaraka amin’ny prezida Andry Rajoelina (QG MAPAR) Antaninarenina miisa 50 latsaka kely eo fa tsy voaloa karama nefa nisy niasa nandritra ny 7 herinandro. Nikisaka eny Ambodivona moa izao ny QG ka dia nilaozan’ny omby nihahaka teo ireto mpiasa ireto. Rehefa nitaraina tamin’ireo tompon’andraikitra, anefa izy ireo dia tratry ny ampitso lava. Rehefa tena nampiakam-peo sy hiantso mpanao gazety izy ireo ny faran’ny volana novambra dia vola 50 000 Ariary no mba natolotra azy ireo fa mbola sahirana, hono, nefa tanora tsy an’asa ny nakamaroan’izy ireo. Fa dia ho toy izao foana ve ny hanaovana ny tanora Malagasy? Atao fitaovana politika rehefa fifidianana dia ailika tsotra izao rehefa vita ny liana azy ireo? Ampy ho eritreretin’ireo rehetra mbola manaiky ny tsy rariny hitarina eto amin’ny firenena izao manjo ireto mpiasa ireto izao!
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.