Pr Ranjeva Raymond

> “Tsy ara-dalŕna iny lisi-pifidianana iny”


  • Talata 31 Desambra 2013

Niteny ny andrarezina. Efa mampiteny ny moana ny hosoka sy tsy fanarahan-dalŕna tamin’ireny fifidianana vita tamin’ity taona ity ireny.

Nijoro, nitondra fanazavana ara-teknika mikasika izany ny Profesora Ranjeva Raymond, izay mpitsara iraisam-pirenena. Zavatra roa no nambarany, fa tanjona apetraky ny lalàna tsy maintsy tratrarina raha resaka fifidianana, dia ny fahamarinana, izany hoe izay zavatra lazaina dia mifaka amin’ny zava-misy ary tsy misy dikany sy tsy manana ny hasiny ny fifidianana tsy manaja ny lalàna. Tsy nihambahamba izy nilaza fa nandika lalàna, tsy ara-dalàna ny lisi-pifidianana nampiasaina nifidianan’ny Malagasy. Ny lalam-pifidianana, hoy izy dia mandidy mazava fa manaraka nomerao ny fandraketana ny mpifidy ao anaty lisi-pifidianana. Tsy izay anefa no misy fa nalahatra nanaraka ABIDIA miainga amin’ny anarana, izay midika fa azo sosohana. Ny lalàna, hoy izy dia na marina na diso, koa diso iny lisi-pifidianana iny, ary mazava fa dia nanaraka ho azy teo ny  hosoka. Koa raha maro ny fitarainana mitranga ankehitriny dia ao raha ka tsy vitan’ny valy boraingina izany na ampanginina sy ampandeferina fotsiny any fa mila dinihina.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT