Pr Napetoke Marcel

> Namaky bantsilana ny familiviliana safidim-bahoaka


  • Talata 31 Desambra 2013

Niteny ny avara-pianarana !

Nijoro vavolombelona tamin’ireo hosoka, tsy fanarahan-dalàna ary familiviliana safidim-bahoaka niseholany tany Toliara nandritra ny fifidianana roa sosona notanterahina tamin’ny 20 desambra teo ny Pr Napetoke Marcel, mpampianatra amin’ny oniversiten’i Toliara. Novakiany bantsilana tamin’izany ny fisiana kandida depiote iray nampihorohoro sy nandray vozon’akanjo ny filohan’ny CED, izay rantsamangaikan’ny CENI-T ao Toliara. Araka ny fanazavan’ny Profesora Napetoke Marcel dia nitantara ny zava-nihatra taminy io filohan’ny CED Toliara io, izay voarakitra an-tsary ho porofo hampiarahana amin’ny fitoriana halefan’izy ireo any amin’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana. Tany Morombe, araka ny filazany hatrany, dia norahonana hafindra toerana ny mpampianatra raha tsy mifidy sy mampifidy ny kandidam-panjakana. Nahazo fandrahonana horoahina ihany koa ireo mpampianatra FRAM. Tao Belalanda, lalana mihazo an’i Ifaty indray dia tsy nisy bileta tokana natokana ho an’ny fifidianana filoham-pirenena nandritra ny tapak’andro maraina, ary zara raha nisy ampahadimin’ny mpifidy ny tolakandro rehefa tonga ny bileta tokana, nefa tsy izany no voarakitra tany amin’ny firaketana an-tsoratra fa toy ny  nizotra ara-dalàna ny fifidianana tao an-toerana. “Tsy te hila zistoara ny olona, fa te hilamina amin’io 2014 io, koa aza avilivily ny safidim-bahoaka fa aboahy ny marina !”, hoy hatrany i Napetoke Marcel. Nomarihiny fa fotoana izao tokony hijoroan’ny avara-pianarana satria raha ny avara-pianarana no tsy sahy, iza no hiteny ?

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT