Actualités

Polisy nogadraina Handray andraikitra ireo zanak’i Toliara


  • Alarobia 28 Desambra 2011

Omaly ihany dia manomboka ny fivorian'ireo vato nasondrotry ny tany avy any Atsimo monina eto an-drenivohitra.

 Ny maro amin'izy ireo dia polisy, tafika ary zandary. Misy mihitsy ny jeneraly am-perinasa. Misy ihany koa ny mpanao politika malaza. Ny anton'ny fivoriana sy ny fifampiantsoan'izy ireo omaly alina dia noho ny tsy rariny mahazo ny zanaky ny Atsimo izay nosamborina tamin'ny fomba mahamenatra ary nampidirina am-ponja mihitsy. Tonga tany Toliara ny minisitra misahana ny polisy, hoy izy ireo, dia nampiantso fivoriamben'ny polisy rehetra. Teo izy no namoaka taratasy ary niantso anarana polisy. Avy hatrany dia nakarina aty an-drenivohitra ireo polisy ireo izay miisa 11 ka nolazaina fa ireo no voarohirohy tamin'ny famonoana ilay mpitsara tany Toliara. Ny zava-nisy anefa dia tsy anisan'ireo 11 voasambotra ireo ny tena nandray anjara tamin'ny famonoana ilay mpitsara. Tsy rariny ny trangan-javatra toy izao satria olona tsy manan-tsiny no nogadraina. Manoloana izao toe-javatra izao dia handray andraikitra ireo zanak’i Toliara ireo. Tsy hionona fotsiny amin'izao izahay, hoy izy ireo, manoloana ny tsy rariny. Ho hita eo ny tohiny.
Titan

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT