Actualités

Polisin'i Mahamasina Lasa nifindra toerana ny kaomisera Fidčle


  • Zoma 28 Oktobra 2011

Omaly maraina no vita soa aman-tsara ny famindram-pitantanana teo amin'ny kaomisera lehiben'ny polisy teo aloha etsy Mahamasina sy ny kaomisera hisolo azy.

 Na ny andaniny na ny ankilany dia tsy nety naneho hevitra mikasika ity fifindra-toerana ity. Hita soritra teny amin'ny endriky ny kaomisera Fidèle fa misy alahelo ao anatiny saingy tsy naneho izany ampahibemaso izy. Azo raisina ho fanasaziana rahateo ny namindrana azy ho lefitry ny kaomisera lehiben'ny polisy misahana ny zava-mahadomelina etsy Anosy. Ankoatra izay, tsy vitsy ireo olona tonga teny Mahamasina omaly maraina nankahery ity kaomisera lehiben'ny polisy tao ity, indrindra ireo niara-niasa taminy teo amin'ny fampandriana ny fahalemana tao amin'ny boriborintany faha-4. “Tsy mbola nahita kaomisera tahaka azy izahay”, hoy izy ireo. Anisan'ny nampiavaka ny kaomisera Fidèle ny fidirany an-tsehatra mihitsy amin'ireo elakela-trano eny Anosibe amin'ny misasakalina. Manao sorona ny ainy mihitsy izy amin'ny ady atao amin'ireo jiolahy. “Nahavita zavatra tato aminay izy ka tsy hohadinonay ny fandalovany teto Mahamasina”, hoy ihany ireo niara-niasa taminy tamin'ny fampandriana fahalemana teny Anosibe sy ny manodidina tonga hatrany Anosizato sy ny Fasan'ny Karana.
Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT