Actualités

Polisim-pirenena Mifampiaro amin'ny ratsy ?


  • Alarobia 14 Desambra 2011

Nanaitra ny maro ihany ny fanambarana nataon'ny fianakaviamben'ny polisim-pirenena omaly izay nilaza fa noho ny zavatra tsy zakan'ny polisy, azo atao hoe mety alahelo na fahasosorana noho ny tsy rariny mety nihatra tamin'izy ireo, no nahatonga ny zava-nitranga tany Toliara ny 9 desambra lasa teo.

Raha dinihana tsara ilay fanambarana dia manaiky ny polisy fa diso izy ireo ary tena namono nahafaty ilay mpitsara ireo andiana polisy tao Toliara. Mety efa nisy mantsy ny alahelo na kakay nokobonina tany ho any, ka dia nipoitra tamin'iny andro iny ilay izy. Amin'ny lafiny iray koa anefa dia midika io fanambarana io fa tsy an'ireo polisy namono olona irery ny fahadisoana. Tsapa izao fa tsy hiaiky ny tsy nety nataony ka hibaboka sy hangataka fampihavanana ny fianakaviamben'ny polisy. Mampalahelo ny tranga tahaka izao, hoy ny raim-pianakaviana iray tafaresaka taminay, satria gaboraraka ny fanajana ny lalàna eto amintsika.

Ny marina dia manomboka mamorona lalàna mety aminy ny tsirairay avy. « Ka inona moa izany no mbola azo antenaina amin'ny fanjakana ? », hoy izy. Mahalasa fisainana ihany koa ny fanambarana nataon'ireo lehibe tao amin'ny polisim-pirenena omaly. Raha misy sehatr'asa na andian'olona sosotra na tezitra amin'ny ataon'ny zandary ve dia hidaroka sy hamono izay zandary sendra azy ireo ihany koa ? Dia hilaza avy eo fa efa nisy zavatra tsy tantin'izy ireo sy nampalahelo azy ireo, ka nahatonga azy ireo tsy nahafehy tena intsony fa tonga dia namono zandary !

Maro no mahita fa tsy fomba firesaka tompon'andraikitra sy manampahefana ireny nataon'ny fianakaviamben'ny polisim-pirenena omaly ireny, izay miaro mpamono olona. Fihetsika hendry, ary efa fahita manerantany ny fametraham-pialan'ny tompon'andraikitra voalohany amina departemanta iray, rehefa misy ny fahadisoana goavana nitranga tao. Fa tsy hiaro tena sy tsy te ho very seza dia milaza fa tsy afaka mangataka fanesorana minisitra ny sendika. Tsy resaka fidirana na fialana amina toerana mihitsy ilay izy, fa fahatsapan-tena fa misy zavatra tsy mety sy tsy voafehy ary sarotra ny hanarenana azy dia aleo miala, fa olon-kafa indray no aoka handamina ny raharaha. Tsy misy mahadiso ny fiarovana ny namana sy ny mpiara-miasa amin'ny tena mihitsy, saingy rehefa namono olona dia namono olona fa aza miala bala.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT